Sosialy

Famatsiam-bolan’ny Banky iraisam-pirenena Tokantrano 1 154 613 no hisitraka tohana sosialy


  • Alakamisy 01 Desambra 2022

Tokantrano sahirana indrindra miisa 1 154 613 manerana ny nosy no hisitraka ny tetikasa fiahiana izay vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola amin’ny taona 2023,

araka ny nambaran’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, nandritra ny fampahafantarana ny Volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana ho an’ny taona 2023 teny amin’ny Antenimierandoholona. Raha ny fahasahiranan’ny rehetra ankehitriny, efa ny 82% eo ho eo amin’ny Malagasy no voasokajy ho mahantra fadiranovana saingy 1,15 tapitrisa aloha izany no hahazo fiahiana, izay zava-dehibe, saingy irariana ny hivelarany hatrany. Tokony hijery vahaolana ara-toekarena sy ara-tsosialy mahomby sy maharitra kokoa kosa ny Fanjakana. Nambaran’ny minisitra ihany koa fa hatao vaindohan-draharaha manokana ny tsy hisian’ny faty antoka amin’ny teti-bola mihoapampana amin’ny resaka fandaniam-bolam-panjakana. Ny 25%-n’ny fandaniana dia hositrahan’ny sehatra ara-tsosialy avokoa ao anatin’io Volavolan-dalàna io, hoy ity Minisitra ity. Raha ny fanehoan-kevitry ny mpahay toekarena Atoa Serge Zafimahova roa herinandro teo moa izay dia zara raha eo amin’ny 35% teo ny tahan’ny famoahana sy ny fampiasana volam-panjakana dia nakatona tamin’ny oktobra ho an’ny tetibolam-panjakana 2022. Tena manam-bola marina ve ny Fanjakana sa dia sora-bola fotsiny no mipoapoaka ao anatin’ny tetibolam-panjakana izay toa lasa endrika maneho sy manaporofo fa poakaty ny ankamaroan’ny zavatra soratana mitaha amin’ny zavatra tontosa sy tanteraka?

Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT