Omaly no natao ny lanonana fanaovam-beloma an’i Patrick Imam, solontena maharitry ny tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) nonina teto Madagasikara.
Tetsy amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny Anosy izy no nosalorana ny medaly “commandeur de l’ordre national” noho ny andraikitra notazoniny nandritra izay 4 taona niasany izay. Nisy ny fankasitrahana nentin’ny praiminisitra Ntsay Christian ny amin’ny asa vitany teto, indrindra tamin’ireny famatsiam-bola FEC (Facilité Elargie de Crédit) nanomboka tamin’ny martsa 2015 ireny. Ankoatra izay, nanao tatitra i Patrick Imam ary nanambara fa mitombina sy mirindra tsara amin’ny tokony ho izy ny toekaren’i Madagasikara ka salama sy tafatoetra tsara ny harifaobe (stabilité macroéconomique). Mizotra mankany amin’ny tsara ny fiakaran’ny harinkarem-pirenena, nitombo ihany koa ny vola nampidirin’ny hetra ary nihatsara ny fitantanam-bolam-panjakana, hoy ihany izy. Efa nitsangana ny fototra fa mbola maro no zavatra mila harenina eto ary manana fanentanana ny amin’ny hoavin’i Madagasikara aho, hoy ihany ity solontenan’ny FMI ity. Raha tsy misy ny sampona dia hisy indray ny fanomezana ny FEC andiany faha-4 izay hodinihina ny alarobia izao ny famotsorana izany (déblocage). Mbola nanamafy ny maha zava-dehibe ny fampandaniana ireo lalàna 2 eo anivon’ny antenimieram-pirenena momba ny famerenana ireo fananana azo tamin’ny tsy ara-dalàna (avoirs illicites) sy ny ady amin’ny famotsiam-bola i Patrick Imam. Ankoatra izay mbola ezaka sy tokony hohamafisina hatrany ny fitantanana mahomby sy mangarahara. Raha izany no teniny dia tokony hampahafantarina tsara amin’ny antsipiriany amin’ny Malagasy hatrany ny fandaniam-bola natao amin’ny famatsiam-bola tahaka itony. Marihina fa 45 000 hatramin’ny 50 000 dolara na 160 tapitrisa Ariary eo ho eo no vola ho azon’i Madagasikara amin’ity FEC fahefatra ity.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.