Sosialy

Famaliana ny fitakian’ny mpampianatra Misy lafiny ara-toekarena tsy maintsy dinihana


  • Alatsinainy 16 Jolay 2018

Mbola mafana hatrany ny resaka fitakiana ataon’ny mpampianatra amin’izao. Tsiahivina fa 100 000 Ariary ampitomboana efatra no takian’izy ireo amin’ny fanjakana.

  Efa nilaza tamin’ny fomba  mahitsy anefa ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena Horace Gatien fa tsy ho zakan’ny kitapom-bolam-panjakana mihitsy ireo fitakiana atao rehetra ireo. Ny ampahany amin’ireo ihany no ezahina hovahana ary efa nandeha ny fakàna ny solontena avy amin’ny mpampianatra hitadiavana ny marimaritra iraisana. Fa raha mandray kaonty ambany tokoa ka eritreretina hoe 100 000 ariary ihany no ekena homena azy ireo dia efa mahatratra 7 500 000 000 ariary izany satria miisa 75 000 eo ho eo izy ireo. Hisy fiantraikany amin’ny lafiny toekarena sy sosialy izany satria tsy maintsy hiakatra ny vidin’entana noho ny fihazakazahan’ny tinady mihoatra ny tolotra eny amin’ny tontolon’ny tsena. Fa ny tena mampametra-panontaniana ihany koa dia ny hoe afaka manome toky ve ireo mpampianatra ireo fa hampivoatra sy tena hanatsara ny sehatra fanabeazana izay iaraha-mahalala fa ambany kalitao eto Madagasikara. Tahaka ny fitomboan’ny vola miditra amin’izy ireo, vonona ve ny mpampianatra hiasa sy hanabe ary hanaiky ny fandaminana sy ny rafitra mety hatsangana hanaraha-maso ny asan’izy ireo ? Fanontaniana mila valiana izany satria tokony hisy akony amin’ny fanatsarana ny sehatry ny fanabeazana ny zana-bahoaka ny famaliana ny hetahetan’ireo mpampianatra ireo. Fa ny olana mety hitranga ihany koa dia ny tsy maintsy ho fitakiana hataon’ny mpampianatra any amin’ny sehatra tsy miankina rehefa mivaly eo ireo fangatahana ireo.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT