Sosialy

Famahana olana Miantso fihaonana amin-dRajoelina ny Paramed


  • Talata 16 Febroary 2021

Tapaka taorian’ny filan-kevitra nasionaly tsy ara-potoana notanterahin’ ireo paramedy ny 13 sy 14 febroary

 

lasa teo fa atsangana ny hisahana ny fifampiresahana na “comité de négociation” izy ireo manao fitakiana ny zony dia ny “indemnités de requisition” 228 andro nandritra ny fahamehana ara-pahasalamana sy ny fampidirana ireo mpilatsaka an-tsitrapo 10 000 ho mpiasan’ny fahasalamana. Tapaka nandritra izany koa fa hanao fiatoana sendikaly na “trêve syndicale” izy ireo mandritra ny 72 ora nanomboka omaly maraina. Araka izany, tsy hisy hamonjy toeram-piasana hanatanteraka fitokonana ireo paramed nanomboka omaly hatramin’ny rahampitso alarobia fa hijanona any an-tranony avokoa. Mandritra io 72 ora io no hangatahan’izy ireo ny fihaonana amin’ny filoham-pirenena Rajoelina sy vahaolana mahakasika ireo fitakian’izy ireo. Aorian’ izay kosa, araka ny fanazavana hatrany, dia hiverina sy hihamafy ny fitokonana raha toa ka tsy misy valiny maha afa-po azy ireo. Mametraka koa izy ireo ny tsy tokony hisian’ny fanapahana karama na famindran-toerana na “affectation disciplinaire” mandritra sy aorian’ny fitokonana.

 

Marigny A. sy Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT