Sosialy

Famahana ny olan’ny fanabeazana Hiadian-kevitra ao anatin’ny filankevitry ny minisitra


  • Talata 03 Martsa 2020

Nitohy omaly alatsinainy 2 martsa ny dinika nifanaovan’ny fiadidian’ny primatiora tarihin’ny praiminisitra lehiben’ny

 

governemanta Ntsay Christian sy ny delegasionina avy amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika ary fanofanana arak’asa (MENETP) notarihin’ny minisitra Andriamanana Josoa Rijasoa. Nankatoavin’ny praiminisitra nandritra io ny volavolam-panitsiana ny didim-panjakana vitsivitsy hanatanterahana ny fifanarahana teo amin’ny fanjakana Malagasy sy ireo sendikalista ny 24 jolay 2018. Ampidirina amin’ny fampitam-baovao am-bava amin’ny filankevitry ny governemanta rahampitso alarobia, ka hisian’ny fandaniana sy fanaovan-tsonia izany eo anivon’ny filankevitry ny minisitra. Nambara fa voajery ao anatin’ireo didim-panjakana ireo avokoa ireo sokajin’olona ao anatin’ny MENETP: Mpampianatra, mpiasa birao, mpiandraiki-draharaha samihafa eo anivon’ny toeram-pianarana sy ny fanofanana manerana ny Nosy. Miantso ny rehetra ho tony sy hanohy ny asa fampianarana am-pilaminana ny minisitera.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT