Famahana ny olam-bahoaka ankehitriny

Hoentin’ny Fanjakana amin’ny kivonjivonjy tavan’andro sisa


  • Alakamisy 03 Oktobra 2024

Fihemorana fa tsy fandrosoana no hita eto Antananarivo, ary miseho amin’ny endriny maro.

Mihasarotra ny zava-drehetra, hany ka zary lasa ampiainina amin’ny kivonjivonjy tavanandro sisa ny mponina. Ny làlana tapitra potika notazanim-potsiny hatrizay fa rehefa akaiky propagandy lasa mandeha ny fihetsiketsehana, ny rano fisotro madio manahirana ka lasa fampiasana « bonbonnes » no fandaharan’asam-panjakana,… Hojerena akaiky daholo ireo toerana mila vonjy, ary hisy ny fanatsarana ny fifandraisana amin'ireo vahoaka eny ifotony mba hahomby kokoa, efa nitombo sy mbola hampitomboina ireo kamio,… hoy ny seraseram-panjakana. Dia raikitra ny fitsiditsidihana ataon’ireo tompon’andraikitra eny ambony toy ny natao teny Tsarahasina Ambohimangakely, Antsahameva, Ankatso nijery fandehan’ny fizarana rano amin’ny kamio. Dia lalaovina amin’ny hoe : nisaotra ny fitondram-panjakana ny vahoaka. Ny vina sy tsinjo lavitra tsy dia misy firy fa fitanisana sy resaka no betsaka raha tsy hilaza afatsy ny tetikasa Tana Water Free, izay hatramin’izao mbola eny ambony latabatra. Ny fahaiza-mijery ny laharam-pahamehana moa mbola resaka hafa. Io iaraha-mahita io ny teleferika nitrosana 151 tapitrisa euros na 800 miliara Ar latsaka kely mihantona fotsiny eo, izay lasa fanesoana ny Malagasy hoe : izy tsy misitraka herinaratra ara-dalàna, tsy misotro rano, tsy manana asa,… fa ny Fanjakana mitrosa amin’ny zavatra tsy mamokatra. Hay ny mitanisa fa natao ho an’ny olona 300 000 ny fotodrafitrasa kanefa efa 3000 000 izao no eto fa moa mba tena nifanaraka tamin’izany ny politikam-pitantanana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT