Sosialy

Famadihana ny mangahazo ho afarinina Tonga ao Isaka ny milina, hiodina tsy ho ela


  • Alakamisy 05 Mey 2022

Efa tonga any Isaka Ambohimahasoa ny fitaovana hamokarana lafarinina avy amin’ny mangahazo, araka ny fampitam-baovaon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny varotra ary ny fanjifana omaly.

Vokatra mangahazo avy amin’ny kaominina Isaka, Vohitrarivo, Befeta ary Ikalalao samy ao anatin’ny distrikan’Ambohimahasoa no haodina mba hahazoana lafarinina avy amin’ny mangahazo. Efa tonga any Isaka noho izany ireo milina hotantanin’ny Kaoperativa Kolo Aina. Nidina nijery sy namantatra ny toerana ametrahana ity indostria ity ny Fitaleavam-paritry ny Minisitera na ny DRICC Matsiatra Ambony ny fiandohan’ny herinandro teo, ary afaka 15 andro dia tokony ho vita ny fanatsarana ny trano ametrahana ny fitaovana, hoy ny tompon’andraikitra. Ny volana febroary teo no efa niresahana ity tetikasa ity vokatry ny fidinana ifotony nataon’ny minisitra Edgard Razafindravahy tany amin’ny ilany atsimo, ao anatin’ny fanatanterahana ny velirano faha-7 dia ny fampiroboroboana ny indostria.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT