Sosialy

Famadihana any Andramasina Ahiana hampirongatra ny halatra omby


  • Alatsinainy 05 Aogositra 2019

Vanim-potoana mampahazo vahana ny famadihan-drazana izao volana aogositra izao.

 Ahiana hahazo vahana any ambanivohitra indray ny halatra omby toy ny ao amin’ny distrikan’Andramasina. Araka ny fanazavan’Atoa Andriamanampisoa Bina Liantsoa solombavambahoaka voafidy any  an-toerana mantsy dia amin’ny 8 ora alina ka hatramin’ny 1 ora maraina no tena manao ny ataony ireo dahalo izay notsindriany manokana fa misy tambajotra mihitsy. Mandehandeha eran’ny tanàna izy ireo ary mijery sy manao sava hao ny fahitr’omby  rehetra. Olana anefa, hoy hatrany ity solombavambahoaka ity ny tsy fahampian’ny mpitandro ny filaminana ao an-toerana.  Ao amin’ny tanànan’Antovontany ihany no mba misy izany koa miantso ny fandraisan’andraikitry ny fitondram-panjakana ny tenany.  Nomarihiny manokana fa tsy fiara 4x4 no maika ho an’ny distrikan’Andramasina fa mpitandro ny filaminana hiasa hiaro ny vahoaka sy ny fananany.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT