Sosialy

Faktioran’ny JIRAMA Velon-taraina ny ankamaroan’ny mpanjifa


  • Alakamisy 10 Jona 2021

Tena nampitaraina fatratra ny mpanjifa ny faktiora navoakan’ny JIRAMA tamin’ny fandaniana jiro sy rano tamin’ny volana mey lasa teo.

 Olona tsy latsaky ny 50 isan’andro no tonga manao fitarainana etsy amin’ny JIRAMA 67 ha nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo ka misy ireo mangata-panazavana tsotra fotsiny raha misy ihany koa ireo manatitra fangatahana mihitsy mba hahafahana mijery sy manara-maso ny kaonterany. Anisan’ny fanazavana entin’ireo mpandray ny mpanjifa ao an-toerana mantsy ny filazana fa sao ny kaonteran’ilay mpanjifa no simba, antony mampidangana ny fandaniana hataon’ny isan-tokantrano. Raha araka ny fitarainana nataona Renim-pianakaviana iray dia raha 10.000 Ar isam-bolana ny vola fandoany dia lasa 100.000 Ar izany tamin’ny volana mey lasa teo. Nisy ihany koa ireo zatra mandoa faktiora 60.000 Ar nefa lasa 120.000 Ar izay lasa avo roa heny mihitsy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT