Mitohy ny fitarainana sy ny fahatezerana amin’ny tolotra omen’ny orinasam-panjakana Jirama.
Tsy dia nampiova zavatra firy ny fibedesana nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny 24 janoary 2021 eo tany Toamasina momba ny kalitaon’ny tolotra omen’ity orinasa ity, izay mila hatsaraina vao miditra amin’ny fampiakaram-bidy. Maro anefa ny fitarainana, ka ankoatra ny delestazy efa ho lava, dia mampikolay ny vidin-jiro, ny fidangan’ny faktiora tampoka. Ny volana janoary 94 431Ar, fandaniana 281 kwh; febroary lasa 234 700Ar fandaniana 859 Kwh, kanefa tsy niova ny fitaovana nampiasaina, tsy niova ny ora fampiasana azy ireo fa dia hoe efa ho avo 3 heny ve ny fitombony janoary-febroary? raha ny fitantaran’ny mpanjifa iray eny amin’ny manodidina an’Ivandry iny. Ny mpanjifa iray eny Itaosy kosa naneho fa 218 881Ar ny novambra, niakatra ho 235 803Ar ny desambra, 250 123Ar ny janoary, ary 271 042Ar Ny isan'ny olona tsy nitombo, ny fitaovana elektrika, efa nisy 1 simba aza tsy mandeha intsony. Ny rano adin'ny 10 isan’andro no tapaka,… Izany ve dia rariny sy hitsiny? hoy ny fanontaniana napetrak’io mpanjifa io. Ampahany ihany ireo, fa tena maro ny lesoka sy tsy fetezana mampikolay, raha tsy hilaza afa tsy ny tsy fahatongavan’ny mpaka “relevé” intsony, ka dia mandeha ny kaonty baoritra, amin’ny alalan’ilay Auto- relevé izay efa mazava fa tsy vitan’ny ankamaroan’ny mpanjifa.
Hetahetan’ny mpanjifan’ny Jirama ny hamerenana amin’ny laonina ny fanaovana relevé isam-bolana tahaka ny nahazatra hatrizay.Io no misy marika sy fe-potoana mazava ary azo antoka kokoa aloha hatreto.Mitomboka amin’ilay Karine Jirama isan-tokantrano ny tarehimariky ny fandaniana.Tsotra sady mazava tsara.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.