Sosialy

Faktioran’ny JIRAMA Efa azo aloha amin’ny paositra money


  • Alarobia 27 Mey 2020

Manitatra hatrany ny sehatra hahafahan’ny mpanjifany manefa faktiora ny JIRAMA. Ankoatra ny eny amin’ny masoivoho, ny finday ary ny

 

 

 

 

 

 « Messenger » izay iarahana amin’ny Accès Banque Madagasikara dia azo hefaina amin’ny paositra money ihany koa ny faktiora manomboka izao. Tontosa ny fiandohan’ny herinandro ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny JIRAMA, izay nosoloin’ny Tale Jeneraly Vonjy Andriamanga tena sy ny paositra malagasy tamin’ny alalan’ny Tale Jeneraliny Richard Ranarison, izay notronin’ny Filohan’ny filan-kevim-pitantanan’ny JIRAMA, Solo Andriamanampisoa. Maro ireo tombontsoa azo amin’ny fanefana faktiora amin’ny paositra money, izay tsy mandany fotoana ary mahazo fanamarinana avy hatrany fa voaloha ny faktiora. Atsy ho atsy dia ho afaka efaina amin’ny finday ny faktiora amin’ny alalan’ity tolotra ity. Ankoatra ny Paositra Money dia fifanaraham-piaraha-miasa roa hafa ihany koa no nosoniavin’ny JIRAMA sy ny paositra malagasy dia ny fandefasana « courriers ordinaires » sy ny paositra rapida izay hahafahan’ny JIRAMA manafaingana ny fandefasana piesy sy kojakoja raha toa ka misy tsy fahatomombanan’ny tobim-pamokarana herinaratra any amin’ny faritra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT