Sosialy

Faktioranan'ny Jirama Azo aloa tsikelikely ny volana Martsa sy Aprily


  • Alarobia 06 Mey 2020

An-dalam-panomanana ny fivoahany amin’ny krizy ny orinasa JIRAMA amin’izao fotoana izao.

 

 

Misy ireo fepetra noraisina mahakasika ny fanamorana ny fanefana faktiora araka izany Loharaharana amin’ireny ny fanavaozana ny fandraisana ny mpanjifa eny amin’ny masoivoho toy ny fandrindrana ny filaharana amin’ny alalan’ny « Ilaharana » izay hatomboka etsy Ambatonakanga ; fandrindrana ny fandoavana faktiora amin’ny alalan’ny « facturation par lot » ; fametrahana «Caisse Cashless » hahafahan’ny mpanjifa mandoa vola amin’ny alalan’ny finday sy « Messenger » (Myacces). Toraka izany koa ny fampitomboina ireo tolotra hahafahana manefa faktiora : Orange Money, Airtel Money, MVola, My Access ary ny Paositra Money. Ny fandrindrana ny fanefana tsikelikely ny faktiora araka ny drafitra ara-tsosialy amin’ny hamehana. Afaka manemotra ny fandoavany ny faktiora volana Martsa sy Aprily ka hefaina in-dimy araka izany ireo mpanjifan’ny JIRAMA. Efa voavolavola ny tetiandro mahakasika izany izay mifanaraka amin’ny zava-misy isam-paritra Ho an’ny faritra anaty fihibohana toa an’Analamanga, Atsinanana ary Matsiatra Ambony dia mihemotra ihany koa ny fanefana ny faktiora volana mey, ny fandoavana ny ampahany voalohany amin’ireo faktiora tsy nohefaina kosa dia hatomboka amin’ny volana Jolay. Ho an’ny faritra tsy mihiboka kosa dia hefaina toy ny mahazatra ny faktiora volana may. Ny fandoavana ny ampahany voalohany amin’ireo faktiora tsy nohefaina dia amin’ny volana Jona ka omena ny mpanjifa ny fitambaran’ireo faktiora tsy nohefaina teo aloha.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT