FAKTIORAN-JIRON’NY JIRAMA

Midangana be, tsy arakaraka ny delestazy


  • Zoma 17 Novambra 2023

Saika mikaikaika amin’ny hafitsoky ny orinasa JIRAMA avokoa ny ankamaroan’ny mponina eny amin’iny

distrikan’Atsimondrano iny. Miaina amin’ilay tombatombana hatrany mantsy ny JIRAMA amin’ny tahan’ny jiro lanin’ny isan-tokantrano isam-bolana rehefa tsy voaatitra ara-potoana ny releve izay tsy miankina amin’ny mpanjifa velively. Raha ny 10 Novambra teo no tokony ho farafanaterana izany ohatra dia ny 15 Novambra vao tonga ny faktiora izay tsy misy hadisoan’ny mpanjifa mihitsy. Vokany, tsy mitsaha-midangana ny vidin-jiro. Nisy tafakatra avo telo heny mihitsy ny vidin-jiron’ireo tokantrano sasany tamin’ity volana Novambra ity izay marihina fa tsy fahatsapan-tena avy amin’ny orinasa JIRAMA mihitsy. Izay voasoratra ao anatin’ny faktiora dia tsy maintsy aloha ary raha vantany vao tara ny fandoavana izany dia tapaka. Eo an-danin’izay anefa dia mbola mamely sy mahazo vahana hatrany ny delestazy. Vantany vao milatsaka ny ranon’orana dia tapaka ora iray raha kely ny jiro nefa tena amin’ny ora tokony handrahoana sakafo hariva sy hanarahan’ny mpanjifa vaovao. Antso avo araka izany no hatao amin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny orinasa JIRAMA mba hanova ny fomba fiasany fa tena efa mankaleo ny mpanjifa tanteraka.
Pati
Legende : Terena ho tombatombana hatrany ny jiro lanin’ny isan-tokantrano anatin’ny faktioran’ny JIRAMA amin’izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT