Lasa fahazarana ny delestazy na fahatapahan-jiro matetika eto Antananarivo sy ny manodidina.
Lasa tapaka hatramin’ny rano, zara raha misy fampandrenesana. Tsy tamin’ity taona ity ihany no misy ny fahatapahana faobe, na any am-pita aza dia misy izany ihany koa tahaka ny any New York. Ilaina ny fampiasam-bola atao ka izany indrindra no anton’ilay hetsika : «une semaine, un quartier» nanaovana asa fanatsarana mitety faritra, hoy ny Tale Jeneralin’ny Jirama Atoa Vonjy Andriamanga. Isan’ny nisantarana azy io ny tany Antsirabe. Mba tsy hisian’ilay hoe jiro tapaka isan-kariva, nosoloina izay fotodrafitrasa sy fitaovana efa tonta na tsy mandeha tsara intsony. Manomboka ny volana septambra dia tsy maintsy aloa ara-dalàna amin’izay ny saran-jiro sy rano, ireo nangataka fampihemorana fandoavana noho ny fahasahiranana kosa dia ny volana janoary 2021 izy ireo no manomboka mandoa tsikelikely 5 ka hatramin’ny 10 volana. Mpanjifa 200 000, nanao taratasy fangatahana ara-dalàna no misitraka an’io fampihemorana io, hoy ny Tale jeneraly, ka hahazo taratasy fampandrenesana sy fampahafantarana avy amin’ny jirama izy ireo. Manao izay hampifandanjana ny fandaniana sy ny vola miditra ny Jirama amin’izao fotoana izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.