Sosialy

Faktiora midangan’ny Jirama Ahiana hampitroatra vahoaka…


  • Talata 16 Jona 2020

Mampikaikaika ny faktioran’ny Jirama amin’izao fotoana izao, izay roa na telo no tonga ao anatin’ny iray volana noho ilay fomba fiasa vaovao « facturation par lots ».

 

 

 

 Misy ny tokantrano milaza fa lasa avo 5 heny amin’ny vola fandoany hatrizay ny alohany kanefa ny fandaniana tsy hoe nitombo be, ka raha 20 000 Ar raha be indrindra ny saram-pandaniana, dia lasa 100 000 Ar. Misy ny miteny fa 60 000 Ar eo ny fandohany, kanefa lasa 200 000 Ar no hanombanan’ny Jirama ny fandaniana. Faktiora ho an’ny volana jona dia aty amin’ny faha-11 volana no efa tong any tombatomban’ny fandaniana ho an’iny volana iny. Maro no mihevitra fa tsy fanamaivanana ny olana no miseho fa zavatra hafa. Manjavozavo sy tsy ampy ny seraseran’ny Jirama manazava ny zava-misy hany ka valalanina ny rehetra, ary misy ny mihevitra fa tena fanabotriana no miseho. Manomboka maro no miaka-pofona, ary ahiana hiteraka fipoahana ara-tsosialy na hetsiky ny mpanjifa io resaka faktiora io. Efa misy mihitsy ny manolo-tena hitarika ny vahoaka hitsangana. “Ampy izay! Mila fanadihadiana ara-pitsarana ny fitantanana ny Jirama. Hitsangana amin’izay isika vahoaka. Izaho no hitarika”, hoy ny minisitra iray teo aloha, izay tsy mba re sy tsy mpiteny firy saingy ny moana aza izao efa miloa-bava, araka ny fanehoan-keviny tao amin’ny tambajotran-tserasera.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT