Sosialy

Faktiora midangana sy sesilan’ny Jirama Tsy nifanarahan’ny Filankevi-pitantanana


  • Alarobia 17 Jona 2020

Hivory eny Ambohimanambola ny filankevi-pitantanan’ny Jirama anio alarobia 17 jona 2020.

 

 

 

 Isan’ny hodinihina ny mahakasika ilay faktiora roa na telo telo ao anatin’ny iray volana, izay mampimenomenona ny mpanjifa. 10 ny mpikambana ao anatin’io rafi-pitantanan’ny jirama io. Nilaza Atoa Rabetsara Lita mpitarika ny tambajotra mpiaro ny zon’ny mpanjifa (RNDC) sady mpikambana ao anatin’io filankevi-pitantanan’ny Jirama io, fa tsy niarahana nanapaka tao anatin’ny filankevitra io resaka faktiora io. Nambarany fa tsy vitan’ny faktiora roa na telo, fa misy ny fampandoavana avo 10 heny noho ny mahazatra, raha olona mandoa 30 000 Ar eo lasa 300 000 Ar latsaka kely kanefa “empoule économique” miisa 3 sy fahitalavitra no ampiasain’ny madama iray, ary indraindray ihany no mipasoka, ka tsy lojika izany. Mazava be ny resaka fa hiaro ny mpanjifa sy ho solontenan’ny mpanjifa aho ao anatin’ny Filankevi-pitantanana, hoy Rabetsara Lita. Misy lesoka amin’ny fomba fikajiana ao amin’ny Jirama, ary efa miteny aho hoe tandremo manapataka jiron’olona raha misy fahadisoana, hoy hatrany izy. Raha misy manapaka jiro dia antsoy Ralita hiaro anareo amin’ny faktiora izay tsy eken’ny sainareo sy hitanareo fa tsy lojika ny vola tokony halohanareo any amin’ny Jirama. Amiko dia tsotra hoe rehefa zavatra tsy eken’ny sainao mpanjifa aza aloha, fa tsy miteny aho hoe mandoha mandrakizay. Fohano aloha io faktiora io ary avereno dinihina hoe inona marina no tokony ho fandanian’ny olona, hoy Rabetsara Lita. Nanokana sampan-draharaha mandray ny fitarainan’ny mpanjifa ny Jirama, ary misy ny laharana maitso 3547 ny mpanjifa mila fanazavana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT