Sosialy

Fakon’Antananarivo Nanaitra ny minisitry ny rano Ravalo


  • Talata 27 Novambra 2018

Antso mivantana avy hatrany amin’ny minisitry ny rano sy ny ben’ny tanàna no nataon’Andriamatoa Marc Ravalomanana,

 

 izay mpanolo-tsainan’ny ben’ny tanàna, tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely omaly alatsinainy 26 novambra. Mafy ny manjo ny CUA ary hita ho tsy afa-manoatra hoy izy kanefa ny vahoaka tsy mahalala izay mety olana misy amin’ny kaominina sy ny fanjakana mahefa fa ny fantany dia tena maloto sy mitobaka ny fako eto an-drenivohitra. Mampalahelo mihitsy ny fivangongoan’ny fako eto Antananarivo ka tsy maintsy ilaina ny fiaraha-miasa sy ny fandraisan’andraikitra haingana amin’ny ben’ny tanàna an’Antananarivo, Lalao Ravalomanana sy ny tompon’andraikitra voalohan’ny SAMVA mpanangona fako dia ny minisitra TIM, Rolland Ravatomanga, hoy ny mpanolotsaina Marc Ravalomanana. Mijaly sy mikaikaika daholo amin’izao ny vahoaka an’Antananarivo nohon’ny fitobahan’ny fako sy ny loto indrindra amin’izao fahavokaran’ny lodsia sy ny manga izao. Tokony hiezaka sy handray andraikitra farak’izay haingana ny SAMVA amin’ny fanofana fiarabe mpanala fako na fampiasana ireo kamio nolazaina fa efa tonga hoy hatrany I Marc Ravalomanana. Nilaza mihitsy aza izy fa efa niantso an-tariby ny ao amin’ny minisiteran’ny rano saingy nilaza ny tao fa olana hatrany an-tampony any mihitsy no mampikatso ny fampiasana ireo fiarabe vaovao mpanala fako ireo. Araka izany dia nanambara ny tenany fa tsy tokony hatao takalon’aina ny vahoaka fa mijaly ary miantso hatrany izany tompon’andraikitra mahefa ambony izany ny filoha Ravalomanana handray ny andraikitra tandrifay azy. Mila mihetsika ny mpisehatra rehetra amin’ ny fanadiovana ny tanàna satria tena fadiranovana ny vahoaka ny amin’ny fofona sy ny fitohanan’ny fiara nohon’ny fivangongoan’ny fako hatrany an’arabe izay mety hiteraka  valan’aretina tahaka ny pesta.  Vahaolana ny famerenana ny SAMVA eo ambany fiahian’ny CUA raha izao tsy fandraisan’andraikitra izao no jerena hoy I Marc Ravalomanana.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT