Fakobe navelan’ny ben’ny tanàna

Ahiana hiparitaka indray ny pesta


  • Alakamisy 18 Janoary 2024

Ahiana hiparitaka indray ny aretina pesta manoloana ity fakobe navelan’ny

ben’ny tanàna, izay aretin’ny avoretrana eto Antananarivo ity, hoy ny fanehoan-kevitr’ireo mpanara-baovao eto amin’ny renivohitr’i Gasikara. Arakaraky ny fandrosoan’ny andro no vao mainka mampitobaka izany, raha ny hita hatramin’ny omaly. Inona no vahaolana? Fanontaniana goavana isan’ny mipetraka izany satria nisy ben’ny tanàna tokoa aza teo ireny niaraha-mahita ireny ny tsy fahafehezany ilay taranja na dia nilokalokany fatratra aza fa azo aterina eny an-davan-tranony eny, raha sanatria mbola misy tsy voaroaka. Hiaraha-mahita mandrak’androany anefa fa tena rakotra fako Antananarivo na tamin’ny fotoana naha teo ity ben’ny tanàna lasa vao mainka nasaina nanajary ny tany sy mampitsinjara fahefana any anaty minisitera any ity fa indrindra moa fa amin’izao fotoana tsy maha eo amin’ny fitantanany ny tanàna intsony izao. Tokony aterina eny amin’ny fonenan’ingahy ben’ny tanàna amin’izay daholo tokoa ve ireo fakobe mbola tsy voaroaka eto Antananarivo hatramin’izao ireo sa inona no tokony atao? Andrasana ny fitazonan’andriamatoa ben’ny tanàna farany teto Antananarivo ny teny nomeny.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT