Sosialy

Fako mivangongo eto an-drenivohitra Efa nanome kamiao telo hanampiana ny SAMVA ny kaominina


  • Alarobia 19 Septambra 2018

Feno fako mivangongo indray eto an-drenivohitra. Faritra maro no miaina anaty loto tanteraka toy ny eny Anosibe, Anosipatrana, Andavamamba, Andravoahangy ...

Misy amin’izy ireny no efa ho iray volana no tsy nisy naka intsony ny fakony. Vokany, matahotra mafy ny mety hisian’ny aretina pesta  ny ankamaroan’ny mponina ankoatra ny aretin-kibo izay ahiana hiparitaka ihany koa raha vao latsaka eo ny ranon’orana. Rehefa nanontaniana ny teo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra dia nambaran’ny lefitra voalohan’ny Ben’ny tanàna Atoa Ramboasalama Emilien fa ny manadio ny lalana sy ny elakela-trano ary mitatitra ny fako eny amin’ny daban-jaoridira no andraikitry ny kaominina. Ny ankoatra izay dia efa anjaran’ny SAMVA  ny maka azy mandrapahatonga eny amin’ny toby fanariana ny fako eny Andralanitra, hoy izy. Efa niezaka nanatona ny SAMVA sy ny minisiteran’ny rano ny kaominina nijery izay vahaolana hahafahana manala ireny fako mivangongo ireny. Efa nanome kamiao lehibe telo, ohatra, ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Hivaha tsy ho ela kosa ny olana eo anivon’ny SAMVA. Ny commission nationale des marchés mihitsy  no tsy mamoaka ny anaran’izay orinasa nahazo ny tolo-bidy hitatitra ny fako. Tanjon’ny roa tonta ny miaro ny mpiara-belona amin’ireo areti-mifindra mety hateraky ny fiparitahan’ny fako eto amintsika, indrindra fa ny kaominina.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT