Fako misavovona

Lasa olana fototr’Antananarivo


  • Alakamisy 22 Aogositra 2024

Misy, hoy ireo mpandinika, ny antsoina hoe laharam-pahamehana fa misy koa nefa ny

ambonin’ny laharam-pahamehana. Raha ny ankapoben’ny famakafakana momba ny toe-draharaham-pirenena kosa no aravina dia saika milaza ireo fanehoan-kevitra fa amin’ny maha firenena mahantra an’i Madagasikara dia laharam-pahamehana avokoa ny fanavotana ireo sehatra rehetra misy. Ny renivohitry ny firenena dia i Antananarivo mihitsy izany izao no efa voasokajy ho voalohany amin’ny renivohitra maloto indrindra eto Afrika ary faha 3 maneran-tany, raha ny tarehimarika iraisampirenena nivoaka farany fantatry ny mpanara-baovao rehetra. Lasa olana fototr’Antananarivo, araka izany, ny fako misavovona. Teo moa ny savorovoro mikasika ny fanefana ny karaman’ireo mpiasa miandraikitra izay resaka fako izay eo anivon’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra. Efa milamina tanteraka ve ny mikasika an’iny? Efa misy ve ny vahaolana maharitra hitan’ny mpitantana miasa eo amin’izao fotoana izao mikasika azy io sa hoe tsy hiasako saina fa izaho vonjimaika ihany no eto? Misy fokontany zanak’Ikalahafa ve ka ny sasany vita ihany ny manala ny fako ao aminy fa ny an’ny sasany toy ny hita teny Ankadifotsy teny hatramin’ny omaly, ohatra, mbola miparitaka hatreny an’arabe izay fako izay? Sao dia efa tokony hisy didim-pitondrana monisipaly havoaka hahafahana manatitra ireo fako tsy voaroaka hatramin’izao eny amin’ny fonenan’ilay ben’ny tanànan’Antananarivo farany teo izay nametraka izay fanamby izay amin’izay na dia efa nametra-pialana aza izy mba ho hita eo raha tena ekeny tokoa ilay hoe Antananarivo tanànantsika?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT