Fako miparitaka, rano miakatra, fitohanana

Tena maika ny fisorohana mialohan’ny rotsak’orana


  • Talata 10 Desambra 2024


Heverina ho tena maika amin’izao fotoana izao, raha ny zava-misy eto Antananarivo renivohitra, ny fisorohana mialohan’ny rotsak’orana ireo mbola olana tena mitoetra, indrindra, rehefa fahavaratra, eto amin’ity renivohitr’i Gasikara ity. Tsy inona moa ireo fa ny fako miparitaka, toy izay efa nambara hoe misy amin’ireo olompirenena sasany, izay tsy vitsy, no toy ny manana fahafinaretana mihitsy hanary ny fakony eo ivelan’ny dabam-pako iombonana eo fa tsy manao izany ao anatiny. Ireny avy eo no entin’ny riaka rehefa avy ny orana ary manentsina ny tatatra sy lalana tokony hivoahan’ny rano samihafa. Olana faharoa, noho izany, ny rano miakatra vokatr’io rotsak’orana eto Antananarivo renivohitra io. Efa ahitana matetika izany sahady aza moa na dia andro maina be izao aza ireo faritra sasantsasany toy iny Andravoahangy, Besarety hatreny Soanierana eny. Ny eny amin’ireo faritra iva moa no tena mijaly amin’iny lafiny iny. Ny fifamoivoizana mitohana moa dia mbola mampikaikaika hatramin’izao manomboka eo Analakely hatrany Ankorondrano na koa Manjakaray hatrany Ambodivona sy ireo zotra na «axes», izay mahagaga, fa tena feno mpitandro filaminana natao handamina izany mihitsy. Fako miparitaka, rano miakatra, fifamoivoizana mitohana; tena maika ny fisorohana mialohan’ny rotsak’orana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT