Sosialy

Fako miparitaka etsy sy eroa “Mbola hiteraka aretina marobe raha vao avy ny orana…”


  • Alarobia 28 Novambra 2018

Na dia efa mirongatra be aza ireo karazan’aretina toy ny kitrotro, ny gripa mahery, ny tazo amin’izao fiparitahan’ny fakobe eto Antananarivo Renivohitra izao dia vao mainka hiharatsy raha vao mirotsaka eo ny ranon’orana.

 

Raha ny fanazavan’ny dokotera Mamy eny Ivato dia vao mainka handripaka ny mponina ny  areti-maso  sy ny aretim-pivalanana vokatry ny fiparitahan’ny mikraoba. Ho an’ny maso manokana dia nomarihiny fa tsy voafetran’ny toerana haleha intsony ny mikraoba fa entin’ny rivotra ka lasibatra ny sendra azy. Conjoctivite no hiparitaka  ka ilana fitandremana, hoy izy. Ho an’ny aretin-kibo indray dia nomarihiny fa  mitondra aretina ny lalitra avy amin’ny fako ka ilana fahamailoana. Ny fandraofan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny SAMVA ny fako ihany no vahaolana ho enti-miady amin’izany ho fitandroana ny fahasalamam-bahoaka, hoy izy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT