Sosialy

Fako miparitaka eto an-drenivohitra Vokatry ny tsy fahampian’ny fiara lehibe mpitatitra hoy ny talen’ny SAMVA


  • Zoma 15 Martsa 2019

Mbola misy amin’ireo faritra eto an-drenivohitra ankehitriny no ahitana fako mivangongo ihany.

 

 

 

 Sady mamofona anefa izy ireny no manangona lalitra ihany koa, indrindra taorian’ny nahabetsaka ny ranon’orana teto amintsika. Raha araka ny fanazavan’ny kôlônely William, tale jeneralin’ny SAMVA dia vokatry ny tsy fahampian’ny fiara lehibe hitaterana ny fako no mahatonga izany.  Na izany aza anefa hoy izy dia tsy maharitra ela be toy ny teo aloha intsony ireny fako miparitaka  ireny vao misy mpanala  fa roa andro raha ela dia efa tsy eo amin’ny toerana nahitana azy intsony, ho fitandroana ny fahasalamam-bahoaka. Notsiahiviny moa fa na dia misedra olana kely aza izy ireo ankehitriny dia ho avy tsy ho ela ireo fiara lehibe mpitatitra fanampiny hanampy ireo efa misy. Mikasika ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny kaominin’Antananarivo renivohitra indray dia notsindriany fa tsy miova no sady mizotra araka ny tokony ho izy. Nohazavainy fa anjaran’ny kaominina sy ny RF II na ny rafitra fahadiovana sy fidiovana eny anivon’ny Fokontany no mamoaka ny fako avy any an’elakelan-trano mankeny amin’ny daban-jaoridira. Aorian’izay hoy izy dia  anjaran’ny SAMVA indray no mitatitra ny fako mankany Andralanitra, asa izay tsy mitsahatra fa mitohy hatrany.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT