Sosialy

Fako miparitaka Ahiana hampahazo vahana ny pesta indray


  • Talata 16 Jolay 2019

Manomboka miparitaka indray ny fako eto an-drenivohitra. Ankoatra ny eny Anosizato Atsinanana dia anisan’ny nahitana fako nivangongo koa teny Andraisoro.

 

 

 

 Maro anefa ny voka-dratsy entin’ireo fako miparitaka, araka ny resaka nifanaovana tamin’ny dokotera Ratafika. Anisan’ireny ny aretin’ny taovam-pisefoana toy ny kohoka sy ny sery izay mamely ankizy maro ankehitriny.  Ilay fofona sy etona entin’ireny karazana fako ireny no antony. Be mpanontany sy mpividy vokatr’izany ireo fanafody miady amin’ny kohoka sy ny sery eny amin’ny toeram-pivarotam-panafody izay nambarany fa mila tsy haharaka mihitsy. Tsy latsa-danja amin’ireny ny firongatry ny voalavo izay nambarany fa mitondra ny aretina pesta eran’ny tanàna.  Afaka  volana vitsy anefa dia hirotsaka ny ranon’orana, fotoana mampahazo aina ny aretina pesta ka mila mailo ny tsirairay.  Tsiahivina moa fa anjaran’ny SAMVA ny manangona ireny fako mitoby anatina  daban-jaoridira  ireny entina amina kamiao lehibe mihazo an’Andralanitra. Efa vitan’ny kaominina amin’ny alalan’ny RF2 kosa ny  famoahana ny fako avy any anaty tanàna. Inona indray  no mahavariana ny SAMVA ?

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT