Sosialy

Fakiolten’ny fitsaboana -Ankatso Nahazo “microscope” manara-penitra


  • Alakamisy 24 Oktobra 2019

Notoloran’ny masoivohon’i Korea Atsimo miasa sy monina eto amintsika “microscope” manara-penitra ny fakiolten’ny fitsaboana eny amin’ny oniversiten’Ankatso.

 

 

Omaly no nanoloran’izy ireo tamim-pomba ofisialy izany, notarihin’Atoa Lim Sang Koo. Fantatra fa tena hanampy betsaka ireo ankizy mpianatra ho mpitsabo eny amin’ny anjerimanontolo ity fitaovana ity, indrindra fa ireo haka fahaiza-manao manokana. Anisan’izany ny hanao fitliana momba ireo sela hamantarana ny aretina homamiadana mety hahazo ny olona iray, araka ny fanazavan-dRtoa Vololontiana Hanta Marie Danielle sojabe eo anivon’ity fakiolte iray ity. Mitentim-bidy 20.000 dolara ity fitaovana ity fiaraha-miasa izay tsy hijanona hatreto. Efa dimy taona latsaka mantsy izao no niara-niasa ny roa tonta. Hitohy hatrany ny fandefasan’ny fakiolten’ny fitsaboana mpianatra ao aminy hiofana any Korea Atsimo raha hisy ihany koa ireo mpianatra avy any ivelany hiofana eto amintsika hahafahan’ny roa tonta mifanakalo traikefa. Tsiahivina fa ankoatra ireo mpitsabo dia manofana olona ho dokoteram-biby sy farmasianina ihany koa ny fakiolten’ny fitsaboana eto amintsika. Olana mbola sedrain’izy ireo moa  ny tsy fahampian’ny fitaovana hampiasaina, ny trano  ihany koa vao an-dalam-panitarana, mila solosaina sy video projecteur  ihany koa izy ireo miampy ny connexion internet. Tonga nanotrona ny fotoana omaly ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo ny profesora Ravelomanana Mamy Raoul.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT