Sosialy

Fakana sary sy kilalao ho an’ny ankizy Mifanaretsaka ny eny Analakely


  • Alatsinainy 31 Desambra 2018

Mitohy hatrany ny kilalao ho an’ny ankizy sy ny fakana sary ho fahatsiarovana amin’izao fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao etsy Analakely.

 

 

 

 Raha araka ny fanadihadiana natao teny an-toerana dia hatramin’ny 08 janoary ho avy izao no fe-potoana hahafahan’ireo mpampiala voly miasa eny an-toerana ho fanomezana fahafaham-po ny rehetra. Am-polony izy ireo no hita eny an-toerana ahitana karazana kilalao maro samihafa toy ny toboggan, ny fanaovana face painting, ny manege, ny fiarakely mihodinkodina, ny fitaingenana soavaly izay samy manomboka amin’ny 2.000 Ar ny sarany raha kely indrindra ho an’ny ankizy iray. Ho an’ireo mpaka sary kosa dia misy ny sary vita eo no ho eo amin’ny sarany 2.000 Ar raha 1500 Ar kosa ny miandry ora maromaro. Tsy nitovy tamin’ny taon-dasa ny tsena fa tena maina. Efa saika mampiasa ireny finday avo lenta ireny avokoa mantsy ny ankamaroan’ny olona, hoy hatrany ny fanazavan’izy ireo ka tsy misasatra mitady mpaka sary hafa intsony raha tsy ilay toerana misy dadabe noely sy kilalao mihitsy no tena mahaliana azy. Tsiahivina moa fa ankoatra ny kilalao sy ny fakana sary dia ahitana sakafo ihany koa eny an-toerana, indrindra fa anio  tontolo andro sy alin’ny 31 desambra hamaranana amin’ny fomba ofisialy ity taona 2018 ity.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT