Sosialy

Fakana ombin’olona tao Morombe Nisy fanararaotam-pahefana…


  • Talata 06 Aogositra 2019

Nitafa mivantana tamin’ny mpanao gazety teny Andraharo omaly ny fianakavian-dRajaonary, ilay lehilahy manana omby miisa 1.700 any amin’ny distrikan’i Morombe.

 

 

 

 

Nambarany tamin’izany fa ombin-dRajaonary avokoa ireo ary ananany taratasy ara-dalàna. Tsy nijery izany anefa ireo mpampandry tany nahitana miaramila miisa 22 raha  nandalo tany amin’ny kaominina Basibasy ny 25 jolay lasa teo. Avy hatrany dia namantana tao  Beharihy, toerana nisy ireo omby raha ny fantatra, fahatongavana tsy nisy fampandrenesana akory; hoy i Mahatsatry Jean ary avy hatrany dia nanapoaka basy. Niely tao an-tanàna ny feo fa hotifirina ny tompon’omby satria omby halatra, hono, ireo ka voatery niafina ity farany. Nijanona tao amin’io valan’omby io ireo mpampandry tany nandritra ny telo andro ary fantatra fa osy miisa 26 no nohanin’izy ireo nataony laoka tao. Taorian’izay dia nitondra omby 374 izy ireo nentiny nogiazana tany Antanimeva, 42 km miala io tanàna io.  Niverina indray izy ireo ny 29 jolay ary mbola nitondra omby 200 isa indray. Ankoatra izay dia voalaza fa notakian’izy ireo volabe ilay tompon’omby niampy fanidiana tany amin’ny violon nandritra ny telo andro  rehefa notadiaviny. Vaovao farany omaly ny fanisana ny omby rehetra sisa tavela niampy ny fiantsoana ireo olona very omby tao an-tanàna mba hijery izany ao anatin’ireo ombin-dRajaonary. Miantso ny fiarovan’ny fitondram-panjakana ny ain’ity farany ireo fianakaviany mandritra ny fanisana ny omby. Tsy tokony hisy hoy izy ireo ny fitifirana amin’ny tsy antony raha tsy fantatra ny marina. Nomarihiny hatrany mantsy fa ombin-dRajaonary ireo ary tsy mpangalatra izy. Tsiahivina fa efa roa herinandro izao no nahatongavan’ireo mpampandry tany any an-toerana hamongotra ny asan-dahalo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT