Sosialy

Fakana ny kianjan’Anosizato Tsy manaiky ireo mpanao fanatanjahantena…


  • Sabotsy 02 Martsa 2019

Tsy manaiky ary tsy hanaiky ny fakan’ireo mpanam-bola ny kianjan’Anosizato ireo mpanao fanatanjahantena ao anatin’ny Boriborintany fahefatra.

 

 

Nihaona tamin’ny mpanao gazety izy ireo omaly. Nambarany fa mazava ny tenin’ny mpanolotsaina voalohany eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, tsy nivarotra ny tany izy ireo fa sonia sandoka no nampiasain’ireo mpivarotra tamin’izany. Mitaky ny hamerenana ny kianja izy ireo ary miantso ilay mpanam-bola nividy ny tany mba haka ny vola laniny tamin’ny fananganana fotodrafitrasa sy ny fividianana ny tany tamin’izay nivarotra taminy. Nomarihin’izy ireo fa tafiditra ao anatin’ny fivarotana tany an-tsokosoko sy tsy ara-dalàna ihany koa ny famarotan’ireo tsy mataho-tody ny lalam-pirenena I etsy Anosizato izay efa nisy namefy ihany koa amin’izao nefa tena  vahaolana mahomby hamahana ny fitohanana mihazo an’Atsimondrano. Nisy moa ny fikarakarana kianja vonjimaika notanterahin’izy ireo omaly ho enti-miady amin’ny fidonanam-poana mahazo ireo tanora.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT