Sosialy

Fakana na famindrana taova Tsy vita maimaika fa mandalo dingana maro


  • Alakamisy 31 Janoary 2019

Nahoraka be teto amintsika tato ho ato ny resaka halatra taova. Nanomboka tamin’ny fisian’ireo ankizy nisy naka an-keriny na very teto an-drenivohitra ka hatramin’izao

 

 

 

. Raha ny resaka nifanaovana tamin’ny dokotera Hary Rakotondratrema, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Espace médicale Saint Michel Andravoahangy anefa dia tsy vita mora fa ilana dingana maro ny fakàna taova. Ho an’ny fanoloana voa ho an’olon-droa fotsiny, ohatra, dia notsiahiviny fa mila manao  karazana analizy ilay olona manana voa alaina. Mbola jerena ihany koa raha mifanaraka amin’ny voan’ilay marary ny voany na tsia. Tafiditra ao anatin’izany ny fijerena ny maloto rehetra, ny ra … Ankoatra izay, raha maka taovan’olona iray dia misy ny fe-potoana tsy maintsy hajaina hitondrana iny taova iny mankany amin’ny toerana ilana azy mba tsy hahafaty ilay sela ao anatiny. Mifanaraka amin’izay koa ny hafanana takiany. Raha tena misy anefa izany, tsy eto amintsika velively no ilana azy fa tsy maintsy any ivelany. Mikasika ireo karazan-javatra nampiasain’ireo mpaka an-keriny nafafy tamin’ireo ankizy mpianatra lasibatra moa dia nilaza ity dokotera ity fa mety ho karazana  vovoka rongony manempotra na mahatorana avy hatrany izany  raha vao  mifoka azy na koa mety ho tsindrona.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT