Sosialy

Fakana fasika eny Ikopa Ahiana hamotika fotodrafitrasa maro


  • Alakamisy 21 Novambra 2019

Lakana enina na fito isan’andro no maka fasika ao ambany tetezan’Ampasika, lalovan’ny ranon’Ikopa amin’izao no hitan’ireo tompon’andraikitra eny an-toerana manao izany asa izany tsy mitsahatra.

 

 

 

Mety hitera-doza ho an’ny mponin’Itaosy anefa ny fanaovan’izy ireo tsy mitsahatra isan’andro, hoy ny Ben’ny tanàna iray  nitantana ny kaominina Bemasoandro tao anatin’ny taona maro. Ahiana handrodana ny tetezan’Ampasika izany ankoatra ny tsy fisian’ny rano midina manondraka ireo tanimbarin’ny tantsaha eny an-toerana. Mampanahy ihany koa ny ain’ireo ankizy madinika noho ny fisian’ireo lavaka fanamboarana biriky sy fakana fasika izay mety hanempotra ireo mpilomano. Hatreto anefa, tsy mbola misy mihitsy ny lalàna napetraky ny fanjakana mandrara ireo mpaka fasika fa vao mainka omen’izy ireo vahana aza. Miantso ny tokony hijeren’ny tompon’andraikitra izany ireo mpitantana eny ifotony.

 

Pati

Legende :  anisan’ny tena atahorana ny tetezan’Ampasika, hoy ireo Ben’ny tanàna nifandimby nitantana tao ( Sary nindramina)

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT