Sosialy

Fakana fahazoan-dalana hody Niteraka fitangoronana be izay tsy izy


  • Talata 07 Aprily 2020

Tsy maintsy maka taratasy fahazoan-dalàna avokoa ireo olona hamonjy fodiana any amin’ny faritra raha araka ny tatitra navoakan’ny Antokon-draharaha Misahana ny Fitaterana an-Tanety na ATT omaly.

 

 

 

 Eny amin’ny tobim-piantsonana Andohotapenaka no hakana izany nanomboka omaly alatsinainy izay efa nahitana filaharam-be tokoa. Ho an’ireo manao fangatahana ho an’ny fiara hitondra olona hody amin’ny faritra dia efa misy dika mitovy amin’ ilay taratasy fangatahana fenoana eny an-toerana na ao amin’ny pejin’ny ATT. Ankoatra izay dia mila ny « carte grise » ary ny dika mitovy amin’ny taratasy fahazoan-dalàna mamily (permis de conduire) izany ho an’ny mpamily. Ho an’ireo olona mangataka ny hody amin’ny faritra indray dia mila maka ilay taratasy fangatahana eny amin’ny tobim-piantsonana Andohatapenaka izy ireo na ao amin’ny pejin’ny ATT ary mameno izany . Raha ny mikasika ireo avy any amin’ny faritra hiditra eto amin’ny Faritra Analamanga kosa dia mila manatona ireo tompon’andraikitry ny CCO COVID-19 any amin’ny toerana misy azy avokoa izy ireo maka izany fahazoan-dalàna izany. Tsiahivina moa fa anio Talata hatramin’ny Alakamisy ihany no hisian’izay fiara fitaterana izay, araka ny kabarin’ny filoha.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT