Tena zava-nisy marina raha araka ny fanazavan’ny dadan’i Cedric tamin’ny gazety Jejoo omaly ilay fakana an-keriny nihatra tamin’ity zanany vao folo taona monja ny marainan’ny alatsinainy 2 martsa teo.
Araka ny fanazavany, efa teo akaikin’ny sekoly nianarany teny Soavimbahoaka i Cedric no nisy naka an-keriny. Tsy nahatsiaro tena intsony izy taorian’izay ary tsy nahita akory izay lalana nitondran’ireo mpanao ratsy azy… Avy hatrany dia nanaparitaka ny vaovao tao anaty tambajotran-tserasera ireo ray aman-dreniny taorian’ny nahafantarana fa tsy hita ilay menaky ny ainy. Tokony ho tamin’ny 9 ora alina anefa tamin’io alatsinainy io ihany dia nisy nandefa hafatra an-telefaonina ny rainy fa any amin’izy ireo i Cedric kely ary mila vola 10 tapitrisa Ar izy ireo mba hamotsorany ity farany. Ny alarobia 3 martsa teo tamin’ny 9 ora maraina no fotoana nomen’ireo mpanao ratsy ny ray aman-drenin’i Cedric . Isaorana an’Andriamanitra anefa, hoy ny rainy fa olona tsara sitrapo no nampandre anay tamin’io alarobia maraina io fa navotsotr’ireo mpaka an-keriny ary eny Anosy ilay zaza. Tsy lasan’ireo mpanao ratsy ilay vola 10 tapitrisa Ar. Nisy olona niantso hafa indray izahay avy eo nitaky valin-kasasarana izay heverin’izy ireo ho olon-kafa mihitsy. Tsiahivina moa fa voatery nentina tany amin’ny psychiatre mihitsy i Cedric ary efa milamina ny fahasalamany amin’ny ankapobeny. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka kosa ny mpitandro ny filaminana ankehitriny ka misy ireo tsiambaratelo tsy maintsy tazonina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.