Sosialy

Fakana an-keriny zaza tany an-tsekoly Nidoboka am-ponja ilay vehivavy


  • Alarobia 12 Jona 2019

Nalefa eny Antanimora vonjimaika ny sabotsy teo rehefa avy niakatra fampanoavana ilay Ramatoa tratra niditra tao amina sekoly iray teny Ambohinambo Talatamaty ny zoma teo ka nanery ankizy mpianatra iray mba hanaraka azy.

 

 

 Nisy nahita tampoka anefa izy ka avotra soa aman-tsara ihany  ilay zaza, raha ny vaovao niparitaka tao anaty tambajotran-tserasera. Nentin’ny olona tao amin’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao Talatamaty kosa ilay Ramatoa nanaovana fanadihadiana. Tsy nanaiky rahateo ny ray aman-drenin’ilay zaza. Raha araka ny fampitam-baovaon’ny kaomandan’ny borigady ao an-toerana na ny CB taminay omaly moa dia niaiky ny fidirany tao amin’io sekoly iray io ity vehivavy ity. Efa nisy ny andraikitra noraisin’izy ireo sy ny sekoly ary ny ray aman-drenin’ny mpianatra hisorohana ny tranga tahaka izao. Hisy ihany koa ny fanadihadiana lalina hataon’ny mpitandro ny filaminana mikasika ity resaka zaza tsy hita eto amintsika ity .

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT