Sosialy

Fakana an-keriny tato ho ato Tsy vola fa zavatra hafa no antony


  • Talata 07 Jona 2022

Nivahiny tao amin’ny fahitalavi-panjakana TVM ny mpikamban’ny governemanta telo omaly, dia ny minisitry ny fahasalamana, minisitry filaminam-bahoaka, ary ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria (SEG) niresaka sy nanao tatitra momba ny raharaha fakana an-keriny hafahafa sy ny zavatra natao tamin’ireo lasibatra.

Rehefa nanontaniana dia nilaza fa nisy olona nanatona dia manondronondro tarehy, mananontanona ny orona, avy eo tsy mahatsiaro tena. Asaina mivoaka avy eo rehefa tsy tompon’ny tenany, misy fikorontanan-tsaina.
RONGONY MAHERY VAIKA
Nisy fitiliana natao, hita fa nampidirana zava-mahadomelina (drogue) sy singa maneho fa misy opium, cocaïne, methamphetamine, hoy ny Minisitry ny fahasalamana Pr Zely Andriamanantany. Nilaza kosa ny Minisitry ny filaminam-bahoaka Randrianarison Fanomezantsoa efa mateti-pitranga any an-dafy io, saingy matetika any dia voaolana fa ny teto tsy nisy voaolana na iray aza. Ny nahafantarana fa misy zava-mahadomelina, dia toy ny eny amin’ny rahona ilay olona, na mijery aza ohatran’ny tsy mahita. Ny zavatra hita dia tsindrona, rehefa noresahina dia nisy zavatra nafafy na “spray” natao tamin’ny orona, nampisotroana zavatra, natao izay naha tsy ho tonga saina ilay olona. 15 hatramin’ny 20 taona no tena voa, saingy omaly nisy olona 43 taona, hoy ny tatitra. Marefo sy tsy afaka miaro tena ny ankizy ka izay no heverina fa isan’ny maha lasibatra azy.
HAHAZO VALISOA IZAY MANAM-BAOVAO
Nahetsika sy naparitaka ny mpitandro ny filaminana, napetraka ny laharana maitso 988 mba hiadiana amin’ny fakana an-keriny. Tsy ny loza ihany fa ny fampitam-baovao no ilàna an’io. Hisy ny valisoa na “prime” ho an’ireo manome vaovao hisamborana ireo olon-dratsy, hoy ny minisitry ny filaminam-bahoaka, izay naneho fa hofenoina mpitandro ny filaminana eny amin’ny sekoly. Nohamafisin’ny SEG Jeneraly Serge Gellé kosa fa misy fampidirana zava-mahadomelina amin’ny batana. Misy olona 2 tratra, vahiny nahatrarana cocaïne tamina fokontany iray teto Antananarivo manamarina fa misy tokoa ilay resaka ny Cocaïne fa tsy tsaho. Raha misy zavatra mampiahiahy, mila omena ny laharan’ny fiara, 119 ny laharana maitso ho an’ny zandarimaria. Tsy vola no mibaiko an’ireo, fakana an-keriny hafahafa tsy nisy fitakiam-bola ary havoaka tsy ho ela ny antony, hoy ny fanazavan’ny SEG.


Samy miandry izay vokatry ny fanadihadiana ny rehetra, fa na izany aza dia maro ireo manahy hoe : fikasana haka taova ketrehana vondron’olona tena manankatao (vola sy fitaovana) no ao ambadik’ity fakana an-keriny ity. Ary efa nitranga tany amina firenena hafa taty Afrika ihany koa izy io . Taona maro tany aloha dia Amerika Latina sy Azia no nahitana fahaverezana na ankizy tratry ny lozam-piarakodia, avy eo manjavona tampoka tsy hay hoe nahoana.Fa tsy nifanalavitra tamin’ireo foana ny resaka halatra taova.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT