FAHOMBIAZAN’NY FIAINANA

« Tsy voatery ho vola sy diplaomabe »


  • Alarobia 17 Aprily 2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

mahazo asa ambony dia izay no fahombiazan’ny fiainany. Tsy izay anefa no tena izy hoy Pastera Heritiana. Nambarany fa zavatra efatra loha no mandrafitra ny fiainan’ny olona dia ny ara-bola, ny ara-pahasalamana, ny ara-pitiavana ary ny ara-panahy. Rehefa manam-bolabe ny olona iray hoy izy dia matetika voa any amin’ny lafiny ara-pahasalamana. Misy indray salama fa sahirana ara-bola raha misy koa ny manam-bola fa tsy ambinina ara-pitiavana. Mifamadibadika eo ireo raha ny fanazavany antony mahatonga ireo tanora nilofo fatratra nandany firy taona nianatra nefa tsy mahita asa akory aty aoriana. Manana diplaomabe izy fa tsy manam-bola. Misy indray anefa tena tsy manana diplaoma saingy mampiasa olona manana diplaoma marobe ary tena hidiram-bola. Tsotra ny vahaolana amin’izany hoy hatrany i Pastera Heritiana dia ny fivavahana sy ny fiarahana amin’Andriamanitra. Marobe mantsy ireo karazana olona mety tsy voavahan’ny sain’olombelona sy ny fahaizany intsony hoy izy fa Andriamanitra irery ihany no mahavaha azy.
Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala manafatra fa ara-panahy ny fiainana eto an-tany !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT