Sosialy

Fahazotoana, haranitan-tsaina Miankina amin’ny sakafo hanina sy ny fanabeazana azo


  • Alakamisy 21 Febroary 2019

Tranga maro samihafa no hita eny anivon’ny fiarahamonina eny. Misy ireo olona efa tena mpanam-bola sy manana fiainana mety no mbola tsy mitsahatra ny miezaka hatrany.

 

 

 Misy koa ireo tena sahirana nefa  mahazo fy amin’izany ary tsy mihevitra  ny hisondrotra ho amin’ny tsaratsara kokoa. Araka ny fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina, miankina amina zavatra maro no mahatonga azy io  toy ny fanabeazana azon’ny ankizy avy amin’ireo ray aman-dreniny. Ho an’ireo zanaka mpimamo lava, ohatra, dia tsy mahay na inona na inona mihitsy izy ireny satria gidragidra lava no iainany ao an-trano, indrindra raha nisotro ny reniny fony nitondra vohoka azy. Toraka izany ireo zanak’olona tsy dia mivaky loha loatra amin’ny fiainana izay tsy dia misahirana ihany koa fa mionona amin’izay efa misy eo.  Misy ihany koa ny anjara toeran’ny sakafo eo amin’ny fahazotoan’ny olona iray sy ny haranitan-tsaina ananany. Manomboka amin’ny fitondran-dreniny vohoka azy ka mandrapahalehibeny izay tsy azo tsinontsinoavina koa. Ankoatra ny fanabeazana dia mijery sy maka tahaka ny fomba fiainantsika ray aman-dreny ihany koa ny ankizy ka mety foana ny manome ohatra tsara azy ireny mba hananany fiainana vanona rehefa any aoriana.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT