Sosialy

Fahazoana trano eny Tanamasoandro Mandoa 100.000 ariary isam-bolana mandritry ny 15 taona Fahazoana trano eny Tanamasoandro


  • Alarobia 22 Septambra 2021

Mandoa 100.000 ariary isam-bolana mandritry ny 15 taona100.000 hatramin’ny 120.000 ariary isam-bolana mandritry ny 15 taona ny vidin’ny trano eny amin’ireo tanàna vaovao,

 raha ny fanazavan’ny sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao, Gérard Andriamanohisoa, omaly.Ity ilay antsoina hoe vente-location izany hoe mandoa hofantrano amina ftoana voafaitra ilay olona ary lasa tompony any am-parany. Tafiditra ao anatin’izany ny Tanamasoandro, hoy ny fanazavana. Araka izany dia azo ofaina mandra-paha voahefa ny vidiny manontolo ireo fonenana sosialy na « logements sociaux » hatsangana anaty tanana vaovao. Fonenana natao hifanaraka amin’ny fidiram-bolan’ny sarambabem-bahoaka no hapetraka. Miisa 50.000 izany, raha ny voafaritra ao anaty politika ankapoben’ny fanjakana. Omena ireo tokantrano mahafeno ny fepetra ireo fonenana, isany ny eny Imerintsiatosika, ka rehefa feno ny 15 taona ipetrahany ao dia lasany tanteraka ny fonenana. Ho ampahafantarina tsy ho ela ireo fepetra sy dingana atao raha te hahazo fonenana eny amin’ireo tanana vaovao. Toy izany koa ny eny Ivato sy ireo toeran-kafa izay efa an-dalana ny famitana tanteraka ny tetikasa. Tena ao anaty filana mafy fonenana amin’izao fotoana izao I Madagasikara. Mahatratra hatrany amin’ny 700.000 isa ankehitriny ny fonenanana angatahana manerana ny nosy. Ho an’ny Tanamasoandro eny Imerintsiatosika dia fonenana sosialy miisa 320 no ho tafatsangana mandra-pahatapitry ny taona, hoy hatrany ity sekreteram-panjakana ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT