FAHAZOANA RANO FISOTRO MADIO

Mitaky vahaolana maharitra ny vahoaka


  • Alarobia 21 Aogositra 2024

Mitaky vahaolana maharitra avy amin’ny fanjakana amin’ny fahazoana sy fisitrahana rano fisotro madio ny vahoaka.

Anisan’ireny ny vahoakan’Alasora Avaradrano izay tsy nahazo rano indray mitete intsony efa ho roa volana izao indrindra fa ho an’ny Fokontany Alasora sy Miadana izay miorina eny ambony toerana. Ny tena mampalahelo anefa hoy ireo mponina dia lasa indray mandeha isan-kerinandro monja ihany koa sisa no tonga manatitra rano ho azy ny JIRAMA izay tsy mihoatra ny 10 m3 ka tsy mahavaha ny olan’ny mponina akory. Ny kaominina no mameno ny ambiny araka izany ka mampitatitra kamiao in’efatra isan-kerinandro izay miaty 50 m3 isanisany. Hatreto moa dia tsy mbola nisy vokany mihitsy ilay fanaovana tolo-bidy intelo miatoana mikasika izay orinasa handray an-tanana ny fananganana ilay siniben-drano ao an-tampon’Alasora. Mihoatra lavitra noho ny vola hatolotry ny fanjakana mantsy ny vola takian’izy ireo ka tsy mety manao izay mahafantatra izany. Voatery mampatsaka rano any amin’ny tanana ambany araka izany ireo mponina eny ambony toerana, antony mahatafakatra ny vidin’ny rano iray bidon miloko mavo hatrany amin’ny 2.000 Ar, raha 50 Ar kosa no hamarotan’ny kaominina azy.
Pati
Legende : Efa vidiana 2000 Ar ny rano iray bidon miloko mavo eny Alasora eny amin’izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT