Sosialy

Fahazoana rano fisotro madio Mampiasa teknolojia avo lenta ny Ericsson, Telenor, Wayout


  • Alatsinainy 05 Oktobra 2020

Olona 3 amin’ny 10 no tsy misitraka rano fisotro madio sy antoka, araka ny fanadihadian’ny ONU.

 

 

 

Vahaolana maharitra sy maitso no teraka vokatry ny fiaraha-miasan’ny Ericsson sy Telenor Connexion, ary ny Wayout. Hifantoka amin’ny famororonana ozinina madinika (micro-usines) ho amin’ny famokarana rano madio sy voasivana. Angovo avy amin’ny herin’ny masoandro amin’ny alalan’ireny “panneaux solaires” ireny no hanodinana azy, ary fitaovana efa harifomba ny fanadiovana ny rano. Noho ny tohana sy vahaolana avy amin’ny Ericsson amin’ny alalan’ny IOT Accelerator (Accélarateur de l’Internet des objets d’Ericsson), dia io tambajotram-pifandraisana maneran-tany IoT io no handrindra ireo “micro-usines durables”, izay azo baikoana avy lavitra. Natao hialana amin’ny fampidirana amin’ny tavoahangy sy ny fitaterana tavoahangy amin’ny vera na plasitika, mba hisorohana bebe kokoa amin’ny fahapotehan’ny tontolo iainana. Mandeha ho azy sy afaka manivana sy manadio rano 70 000L ny “module” tsirairay, ary afaka mamotika entona « CO2 » hatrany amin’ny 8 taonina sy misoroka ny fampiasana tavohangy plastika hatrany amin’ny 200 000 isam-bolana, mba ho fiarovana amin’ny fahapotehan’ny tontolo iainana. Amin’ny alalan’ny teknolojia avo lenta dia ny “application smartphone” ny fandrindrana sy fanaraha-maso ny ozinina na koa ny fanadiovana mandeha ho azy “auto-nettoyage” . Miatomboka any Afrika Antsinanana io tetikasa lehibe io, mialohan’ny hipariahany any Moyent-Orient, Asie-Pacifique, ary amin’ny tsenan’asa maro eto ambonin’ny tany amin’ny 2021.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT