Sosialy

Fahazoana ilay fanampiana 100 000 ariary Misy fanontaniana 10 tsy maintsy valiana


  • Alakamisy 16 Aprily 2020

Hotanterahina tsy ho ela ny fizarana ilay fanampiana ara-bola 100.000 Ar ho an’ireo fianakaviana hita fa sahirana sy marefo manerana ireo Boriborintany 6 eto an-drenivohitra.

 

 

Tokantrano 100 000 amin’ireo 196.000 isa nanaovana fanadihadiana no hisitraka izany. Fanontaniana miisa 10 no hapetraka amin’ny tokantrano iray raha kely hoy Ravoavison tompon’andraikitry ny PAM izay hanao ny fizarana. santionani amin'izany ny hoe : Inona no asa fiveloman’ilay tokantrano ? Miisa firy mianaka izy ireo ? misy olona manana fahasembanana ve ? firy no feno taona ? efa nanao fitiliana ny tsimok’aretina coronavirus ve ?...Miankina amin’ny valin’ny fanontaniana no hisitrahan’ny tokantrano iray izany na tsia . Etsy amin’ny LMA Ampefiloha, lisea Alarobia… no hanaovana ny fanisana sy ny fandraisana ny mombamomba ireo olona raha any an-tokantranony kosa no aterina ny fanampiana amin’ny fotoana hivoahany ho an’ireo tsy manana banky na koa Mvola ohatra. Ekipa teknika miisa 150 no manatanteraka ny asa tsy mitsahatra hahafahana mamaly ao anatin’ny fotoana fohy ny hetahetan’ireo fianakaviana sahirana. Mandray tokantrano 50 isa isanisany isan’andro izy ireo, hoy hatrany Ravoavison eo anivon’ny PAM izay miara-miasa akaiky amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra

. Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT