Sosialy

Fahazoana herinaratra any an-tokantrano Vao ny 56 %-n’ny Malagasy no misitraka izany


  • Alarobia 28 Novambra 2018

Vao ny 56 % -n’ny Malagasy no misitraka herinaratra any an-tokantrano raha betsaka ankehitriny.

 

 

Ny 6 % amin’ireo no any amin’ny tontolo ambanivohitra raha eto an-drenivohitra avokoa ny 50 %, hoy Rasoloelison Lantoniaina, minisitry ny angovo. Efa nahitana fiakarany io salan’isa io, hoy izy, omaly. 25 % ireo mponina nisitraka izany tamin’ny taona 2013 izay nomarihiny fa tsy maintsy mbola hanaovana ezaka ihany hahatrarana ilay tanjon’ny fampandrosoana maharitra na ODD ato anatin’ny 12 taona. Nisy omaly ny atrikasa goavana nentin’izy ireo nanehoana sy nampahafantarana ilay drafitra sy paikady hoenti-manorina fotodrafitrasa miady amin’ny tsy fahampian’ny herinaratra eto amintsika.  Raha tamin’ny alalan’ny solika mavesatra sy gazoala hatrany teo aloha no nahafantsika nisitraka izany dia hampidirina amin’izay manomboka izao ny fitrandrahana herinaratra amin’ny alalan’ny angovo avo havaozina  sy ny herin’ny masoandro mba ho tombontsoan’ny rehetra. Efa vita ny fanadihadiana mahakasika izany izay hijanona ho fananantsika Malagasy. Tsy hijanona ho boky fotsiny izany, hoy  ity minisitry ny angovo ity fa miampy rindram-baiko (logiciel) ihany koa izay notsindriany manokana fa hamoahana ilay master plan indray  atsy ho atsy. Tanjona amin’izao famoahana drafitra sy paikady izao ny hahafahana manao tetikasa hahazoam-bokatra avy hatrany ka hisy fiantraikany mivantana amin’ny fiainan’ny mponina andavanandro. Mikasika ilay resaka mandeha ny amin’ny mety hanafoanan’ny fanjakana ny famatsiam-bola omena an’ny JIRAMA dia nambaran’ny minisitra Rasoloelison Lantoniaina fa tsy maintsy hiakatra ny vidin-jiro alain’ny mponina raha toa ka  tanteraka tokoa izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT