Feno 18 taona katroka ihany ny tovolahy na tovovavy iray eto amintsika vao afaka mahazo taratasy fahazoan-dalana hamily fiara eo
anivon’ny Centre d’immatriculateur na ny CIM etsy Ambohidahy, raha araka ny fanazavan-dRandriamahafehy Briand, tompon’andraikitra voalohany ao an-toerana. Tsy raisin’ny logiciel an’ny CIM mantsy izany raha araka ny fanazavany na dia 18 taona latsaka iray volana aza ilay olona. Ireo ankizy 17 taona sy 7 volana hoy izy no afaka manao fangatahana manokana ho feno taona (dérogation à l’âge légal) ao amin’ny minisiteran’ny Atitany ary rehefa mahazo izany izy ka ekena dia afaka mianatra mitondra fiara soa aman-tsara saingy tsy maintsy miandry 18 taona katroka vao mahazo ilay taratasy fahazoan-dalana hamily fiara eo anivon’ny CIM. Mikasika ilay fanoloana permis mitondra ny laharana 0T ho tena biometrika tanteraka etsy amin’ny Alhambra Ankadimbahoaka, fanampin’ny ivontoeran’ny CIM moa dia fantatra fa efa mahatratra 870 hatreto ireo olona tonga nanatona teny an-toerana, izany hoe : efa manodidina ny 60 isa isan’andro. Ho an’ireo permis mitondra ny laharana 1 T…. dia nambaran’ity tompon’andraikitra ity fa miandry ny tetiandro voatondro hatrany isika rehetra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.