Sosialy

Fahavitan-tena ara-tsakafo “Tokony efa afaka hanondrana vary amin’ny 2027”


  • Alarobia 26 Jolay 2023

Faritra miisa 16 ankehitriny no nifanarahan’ny sehatra tsy miankina amin’ny alalan’ny STOI na Société trading de l’Océan Indien sy ny fanjakana malagasy hanapariahana ny vary safiotra,

hoy ny tomponandraikitra voalohany eo anivon’ity vondron’orinasa tsy miankina ity, Tahiana Razanamahefa, hanapariahana ny voly vary safiotra eto Madagasikara. 50 taonina eo amin’izao fotoana izao ny masomboly naparitaka tamin’ity taom-pambolena ity any amin’ny faritra SAVA, Atsimo andrefana, Vatovavy, Fitovinany. Andrasana hiakatra amin’ny volana oktobra eo ny vokatra izay antenaina ho eo amin’ny 900 taonina eo. Ho atao amina velarantany 50ha eo any amin’ny faritra SAVA ny voly ranty filamatra na “vitrine pilote” momba izay masomboly izay. Manana lemaka tena mahavokatra iny faritra iny tsinona dia avy eo vao haparitaka amin’ny faritra hafa. Iaraha-miasa akaiky ny tantsaha, izany hoe hanaovanay tantsoroka mihitsy, mba hisy vokany amin’ilay fambolena masomboly eo amin’ny 2,5 hatramin’ny 3,5 taonina isaky ny ha eo no vokatra azo amin’ny fambolena masomboly. Ireny indray avy eo no haparitaka hambolen’ny tantsaha ary misy koa ny tantsoroka ataon’ny tekinisianinay amin’ny tantsaha avy eo rehefa mamboly vary. Efa misy ezaka atao foana hahatongavantsika amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ary iantsoanay ny orinasa hafa hiara-kisehatra ao anatin’ity voly vary ity satria rehefa miaraka isika dia tratra malaky ny tanjona. Tokony efa hiakatra ambony dia ambony ny voka-bary eto amintsika amin’io taona hoavy io ary afaka hanondrana ihany koa amin’ny taona 2027. Tantsaha miisa 1500 ankehitriny no miara-miasa aminay, hoy hatrany ny tenany. Marihina moa fa 3000 karazana ny masombolina vary safiotra vokatra ao amin’ny saham-bary goavana ao Changsha Hunan na “Grand Parc Rizicole Lonping” ao Changsha Hunan ao Chine. Saham-bary izay natsangan’ny rain’ny vary safiotra no sady vakoka velona ao amin’ity firenen’ny dragona ity dia ny Profesora Yan Lan Pin, izay vao nodimandry ny taona 2019, raha ny fanazavana voaray hatrany.
J. Mirija
Légende: Tahiana Razanamahefa, nitsidika ny “Grand Parc Rizicole Lonping”
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT