Sosialy

Fahavitan-tena ara-tsakafo sy fanabeazana Vonona hanampy an’i Madagasikara i Inde


  • Alakamisy 02 Mey 2019

Fototra iaingan’ny fampandrosoana ny firenena ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny fanabeazana ary vonona ny hizara ny traikefany sy hanampy an’i Madagasikara amin’ireo sehatra roa ireo i Inde,

 

 

 

 hoy Atoa Abhay Koumar masoivohon’ny Repoblikan’i Inde raha nivahiny tao amin’ny Top Radio 102.8 Fm omaly alarobia 01 mey. Mifamatotra ara-jeografia efa am-polony tapitrisa taona i Madagasikara sy Inde, hoy izy ary mbola mifamatotra ara-tantara sy ara-toekarena ihany koa. Ny fampivoarana ny fahaizana amam-pahalalana no nahafahan’i Inde izay manana mponina efa ho 1,3 miliara nandroso haingana satria mbola anisan’ireo firenena an-dalam-pandrosoana nitovitovy tamin’i Madagasikara ihany tany amin’ny taona 1970. Nandany ron-doha sy vola teo amin’ny sehatry ny fampianarana ny Indianina, nikaroka masomboly faran’ny tsara ihany koa mba hampitomboany hatrany ny voka-bariny. Efa lasa lavitra amin’ny teknolojia sy ny fitsaboana ihany koa izy. Firenena faha-6 matanjaka indrindra ara-toekarena i Inde ankehitriny ary efa filamatra maneran-tany. Mandala ny demokrasia izy ary fitambarana fanjakana maromaro, navadiny ho harena ny fahasamihafana ara-pomba sy ara-pitenenana. Tokony ho harena ho an’i Madagasikara koa izany, hoy Atoa Abhay Koumar. Tany amin’ny taona 1970 no niroso tamin’ilay « revolution verte » nampivoarana ny fambolena i Inde ary ny taona 1991 no niditra tamin’ny fanalalahana ny toekarena. Manodidina ny 18 000 ireo olona manana fiaviana Indianina na fantatry ny rehetra amin’ny hoe «  Karana » eto Madagasikara izay miasa eo anivon’ny fandraharahana sy ny varotra amin’ny ankapobeny. Manodidina ny 3.000 kosa ireo tena mizaka ny zom-pirenena Indianina. Diplaomaty vao tonga eto Madagasikara moa i Abhay Koumar. Mbola eo am-panangonana ny vaovao rehetra aho , hoy izy…Reko ny fitarainan’ny Malagasy ny amin’ny fanjakazakana na fanaovana toetra tsy zaka ataon’ny Karana sasany ary hojereko akaiky ny momba io. Hojerena tahaka izany ihany koa ny hamahana ny olana ho an’ireo mpianatra Malagasy izay mitaraina amin’ny fahelan’ny fahazoana ny maripahaizana taorian’ny fianarana norantovina tany Inde.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT