Fahavitan-tena ara-tsakafo

«Mitaky fiandrianam-pirenena eo amin’ny fananan-tany »


  • Alakamisy 22 Febroary 2024

vondron’ireo Firaisamionim-pirenena maro be,

izay nanamarika fa toy ny firaisamonim-pirenena eran-tany, dia sokajy iray amin’ny sehatra anatin’ny fiarahamonina eo akaikin’ny Fanjakàna sy ny rantsany samihafa sy ny Mpandraharaha tsy miankina ary ny Fiangonana. Ny zava-kendren’ny tolo-kevitra arosonay dia ny fahatanterahan’ny Firenena tsara tantana (Etat de droit) manaja ny zon’olombelona sy ny Fiaraha-monina hanjakan’ny rariny sy ny hitsiny (justice sociale) izay manome ny fepetra ahafahan’ny vahoaka maro an’isa manana fari-piainana sahaza, fa tsy haka seza toy ny mpanao politika, hoy izy ireo. Nanambara fa feno fanahiana firaisamonim-pirenena manoloana ny fanapaha-kevitra tampoka navoakan’ny Filankevitry ny Minisitra tamin’ny faha-31 janoary 2024 mikasika ny fanovàna ny lalàna momba ny tanim-panjakàna azo amidy (2008-014) sy ny fampihatoana ny fanomezana tanim-panjakàna ny mponina. Ny politikam-panjakana (Politique Générale de l’Etat) nivoaka ny faha-17 janoary 2024 anefa toa maneho fikasàna hanome velaran-tany midadasika ho an’ny mpampiasa vola amin’ny sehatra samihafa. Miandry sy manantena izy ireo fa ho ela ny fanazavàn’ny mpitondra fanjakàna ny lalan-kizorana heveriny ho raisina momba io fanovàna io. Nanambara izy ireo fa manohana ny fiandrianam-pirenena ara-sakafo (souveraineté alimentaire), io tokoa mantsy no vahaolana azo antoka fa hahafahantsika Malagasy, indrindra ny tantsaha, manohy ny famokarana ny sakafon’ny mponina manontolo, sy ahafahan’ny mpamokatra mitahiry sy manatsara ny fahaiza-manaony. Tsy ho vita izany raha tsy misy ny fiandrianam-pirenena eo amin’ny fananan-tany « souveraineté foncière » ahafahan’ny tantsaha mitazona ny fahaleovantenany sy ny taniny. Tsy tokony ho mpikarama sy miankina amina rafitra ato anatiny ny tantsaha, ary tokony hohamaraina ny fahasoany tany, mba ho foana ny « tantsaha tsy manana saha » (paysans sans terre). Latsaky ny 1ha ny salan’isa eto amin’ny firenena noho ny fizaràna ny tany tamin’ireo taranaka mpandova maro nifanesy. Ankoatra izany, maro ireo mpamokatra no tsy manana tany fa manofa izany (fermage) na misasaka (métayage) na mindrana. Ny fifindran’ny tanora maro amin’ireo tanàn-dehibe eto Madagasikara noho ny fitadiavana fivelomana dia tsy miteraka vokatra mahomby noho ny havitsian’ny asa azony atao ankoatry ny varotra madinika mpanelanelana sy ny fitarihana posy,…
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT