Fahavitan-tena ara-tsakafo

Fanafarana vary hatrany no vahaolana hitan’ny fitondrana


  • Zoma 19 Aprily 2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

fa tsapa fa tena niakatra ny vidim-bary. Tsy miankina amintsika fa amin'ny varotra iraisampirenena izany, hoy ny fanazavany. Vahaolana nambarany ho nentiny miaraka amin'ny lehiben'ny governemanta, toy ny efa nahazatra azy hatramin’ny fiandohan’ny fitondrany indray na dia efa nananaran’ireo mpamakafaka raharaham-pirenena sy mpahaitoekarena maro izao fitondrana izao aza, ny hoe hanafatra vary amin'ny vidiny mora 2000 Ariary. Ny fitondrana no handoa ny elanelany, hoy izy. Ankoatran’izay moa dia isan’ny mbola heno koa ny hoe hizara vary maimaimpona ho an’ireo tena marefo. Mampametra-panontaniana sy maha lasa saina ankehitriny ny hoe inona moa izany no mba fampandrosoana nentin’izao fitondrana izao mikasika ny toekarem-pirenena raha toa ka ny firenentsika nalaza hatramin’izay ho sompitry ny vary ity no lasa ampanankinan-doha tanteraka amin’ny fanafarana vary? Ny vary amin’io iaraha-mahalala fa mbola foto-tsakafon’ny malagasy hatramin’izay ka hatramin’izao? Izao ve izany ilay antsoina hoe fahavitan-tena ara-tsakafo, araka ilay nampanantenaina hatramin’ny taona 2018 no sady natao laharana faha 9 tao anatin’ny veliranon’ny filoham-pirenena efa tamin’izany fotoana izany? Isan’ireo tsy vitan’ny fitondrana teo aloha tao anatin’ny 60 taona nefa vitan’izao fitondrana izao ankehitriny ve izany ny nanafoana ny fahavitan-tena ara-bary eto amin’ny firenena? Fanafarana vary hatrany, araka izany, hatreto aloha, no hitan’izao fitondrana izao ho vahaolana hahatongavana amin’izany fahavitan-tena ara-tsakafo izany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT