Sosialy

Fahavitan-tena ara-tsakafo Efa afaka mamantatra mialoha ny mety ho toetry ny andro ny tantsaha


  • Alakamisy 11 Jolay 2019

Anisan’ny fosotra mbola tsy hahafahantsika eto Madagasikara mamokatra tsara ny fiovaovan’ny toetr’andro.

 

 

 Mety misy ranon’orana tampoka mantsy na dia vanim-potoanan’ny ririnina aza nefa mety hafana tampoka toy izao hiainantsika izao ihany koa. Nahita paikady hahafahana miady amin’izany ny Ministeran’ny fambolena sy ny GIZ izay vatsian’ny firenena Alemana vola. Nampahafantarina omaly ny fisian’ilay tetikasa “calendriers culturaux sur la hotline 3-2-1” izay hiarahan’izy ireo miasa miaraka amin’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby. Tanjon’ny telo tonta amin’izany ny hahafahan’ireo tantsaha mamantatra  mialoha ny fepetra tokony horaisiny manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro amin’ny alalan’ny antso an-tarobia maimaim-poana miisa enina isam-bolana.  Azon’ireo tantsaha hatao araka izany ny maka toro-hevitra sy manontany raha misy ilany izany mba hahafahan’ny mamokatra mifanaraka amin’ny toetr’andro misy eto amintsika. Faritra maromaro moa no efa voakasiky ny tetikasa toy ny faritra atsimo atsinanana, Vohipeno,….raha ny fambolem-bary, voanjo, sakamalaho no kendrena hahazoana tena hahazo tombony.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT