Sosialy

Fahavitan-tena amin’ny vary Mila mahavokatra 5 taonina isaky ny hekitara


  • Alatsinainy 25 Jolay 2022

Nahatratra 302 934 taonina ny vary nafaran’i Madagasikara tao anatin’ny 5 volana voalohan’ity taona 2022 ity. 228 248 taonina ny tamin’ny taon-dasa tao anatin’ny vanim-potoana mitovy, i

zay midika fa nisy fiakarany 32,72% izany ny tamin’ity, 74 686 ny elanelana, raha ny tatitry ny ODR (Observatoire du riz) tao anatin’ny tatitra. Tena niakatra be ny fanafarana tao anatin’ny telo farany, nahatratra 180 017 taonina izany dimy volana voalohan’ny 2020. Anton’ny zava-misy ny fandrisiana nataon’ny governemanta izay nanentana ireo mpandraharaha hanohy fanafarana vary mba hanampiana tsy fahampian’ny vary vokarina eto an-toerana. Tombanan’ny Fanjakana hiakatra 9,5% ny famokarana vary amin’ity taona ity, izany hoe 4,8 taonina, raha ny voafaritra ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana PLFR 2022. Firenana tokony ho ao anatin’ilay tena sangany amin’ny fambolena na “à vocation agricole” I Madagasikara, saingy ny Filoham-pirenena mihitsy no nilaza fa tsy afaka miandry vary roa taona vao miakatra ka nireharehany ny fanafarana sambo 20 isa. Efa mifehy ny fanondranany sy mampiakatra ny vidiny ny firenena vahiny vao hoe: andao hamboly sy hiompy, ary ny vahiny mpamatsy vola no miteny fa tokony ho laharam-pahamehan’i Madagasikara no mamboly, ka dia iny nirosoana iny fikaonandoham-pirenena momba ny fambolena.

MIHINAM-BARY 500 000 TAONINA

Hatreto, zara raha 100 000 ha ny tanimbary eto Madagasikara, 200 000 taonina isan-taona eo ny vokatra, raha toa ka manodidina ny 500 000 taonina ny filàna. Mila mamokatra 5 taonina isaky ny hekitara izany isika dia tsy manafatra. 500 000 Ar eo ho eo no manajary tanimbary 1 ha amin’izao, raha ny fanadihadiana tsotsotra natao, ka tafiditra ao ny mpanetsa 15 eo ampiasaina, ambioka, ny asa tany sy ny fampidiran-drano, 125 dolara eo ho eo izany, raha atao vola tsotra. Raha atao ny kajy, 40 tapitrisa dolara no ahafahana manajary ny tanimbary ho azo hambolena eto, antsasaky ny vola nanaovana ny kianja barea, mahavita tanimbary 320 000 ha, kanefa ny tanimbary ampiasaina eto mbola 100 000 ha amin’izao. Mbola mamelona ny tantsaha any Inde, Pakistan, Chine,… izany ny Fanjakana Malagasy hatreto.

Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT