Sosialy

Fahatsaran’ny vatana Mampilamin-tsaina kokoa


  • Talata 30 Aprily 2019

Tsy mahavita mamokatra sy miasa araka ny tokony ho izy ny vahoaka mikorontan-tsaina sy mitaintain-dava.

 

 

 Antony hanatanterahan`ny AMGroup ny hetsika lehibe « Salon du bien-être et du développement personnel » hatao eny amin'ny lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Tanjona, hoy ny mpikarakara, Masy Anglade, ny hitondra anjara biriky ho amin`ny fanabeazana amin`ny ankapobeny. Ny fanabeazana mantsy dia tsy voatery mandeha an-tsekoly fa rehefa hivoaka ny trano ny olona iray dia beazina halalala fomba, beazina hitandro ny filaminana sy ny fahadiovana amin`ny alalan`ny fahatsaran`ny vatana (bien-être). Tsy mijanona ivelany fotsiny izany fa hatrany anatiny. Notsipihany fa zavatra  telo no mahatonga ny fandrosoana eo amin`ny olona iray dia ny fahatsaran`ny fanahy, ny tontolo iainana ary ny vatana. Hahafahana misoroka sy miharitra krizy ny fahatsaran`ny vatana. Any amin`ny tany mandroso, tsy atao ambanin-javatra ny “bien- être”. Ny filaminan-tsaina eo amin`ny olona iray manokana no mahatonga ny fahombiazany amin`ny toekarena. Ny fandrosoana eo amin`ny olona mitambatra be dia be no mahatonga ny fandrosoana ho an`ny rehetra, hoy hatrany i Masy Anglade. Notsindriany manokana fa mila mikarakara ny tenany ny vehivavy hikarakarany ny ankohonany. Ny ankohonana voakarakara no mampandroso ny firenena satria izy ireny no fototra ijoroan`ny firenena iray. Ny 2-5 mey izao no hanatanterahana ny hetsika ary sambany no hanaovana izany eto amintsika. Araka ny anarany, miompana amin'ny fahasalamana sy ny fahatomombanan'ny vatana ny hetsika, hampivoatra ny maha olona eo amin'ireo izay tonga manatrika.  

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT