Sosialy

Fahatongavan’ny KFC teto Vao mainka nampiakatra ny Gastro Pizza


  • Alatsinainy 03 Febroary 2020

Vao mainka nampiakatra ny orinasa Malagasy La gastronomie pizza ny fisian’ny orinasa vahiny KFC.

 

 

 

Maro be ny olona no nilaza fa ho sahirana izy. Nisy mihitsy ny faly noho ny mety ho fahasahiranan’ny orinasa Malagasy izay mampiasa Malagasy maro. Vao mainka aza izany hery nanosika nankany amin’ny fiatrehana ny tsenan’ny fifaninanana. Nihatsara ny tolotra ary nampitomboina ny traikefan’ireo mpiasa satria tena mihazakazaka ny fampiofanana azy ireny. Ankehitriny dia vao mainka nanokatra toeram-pivarotana vaovao sy mivoatra hatrany ny Gastro Pizza. Na ireo mpanjifa aza dia hita fa feno foana ireo toerana, indrindra fa ny eny Analakely. Tonga saina ny Malagasy fa tsy misy afa tsy ny famelomana ny orinasa Malagasy no ahafahana mampiakatra ny faripiainantsika mianakavy. Maro no efa mahatsapa sy mivoy ny ilay hoe: “aoka izay ny fiheverana fa raha vao zavatra avy any ivelany dia tsara noho ny eto an-toerana”. Rehefa maro mpanjifa ny vita Malagasy dia miha miakatra ny kalitao ary afaka mampidina vidiny.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT